Tiako haverina indray
Ireo bitsibitsikao
Ny minitra tsirairay
Mirakitra ny fihetsikao
Ireo masonao nijery ahy
Toy ny lefona hiletra
Ilay feo mitory halemem-panahy
Tsy ho very fa hitoetra
Ilay endrikao toa vita sary
Mitsikitsiky, misariaka
Velona ato anaty diary
Soratako ho tantarantsika
Ireo tambitamby, antsoantso
Mba ho henon’ny marenina
Ny ahy sy anao efa antso
Hamafisin’ny diam-penina
Dia hipetraka hatrany
Ny niarahana rehetra
Na tamin’ny tsiky na tomany
Fa ny antsika tsisy fetra
Ireo bitsibitsikao
Ny minitra tsirairay
Mirakitra ny fihetsikao
Ireo masonao nijery ahy
Toy ny lefona hiletra
Ilay feo mitory halemem-panahy
Tsy ho very fa hitoetra
Ilay endrikao toa vita sary
Mitsikitsiky, misariaka
Velona ato anaty diary
Soratako ho tantarantsika
Ireo tambitamby, antsoantso
Mba ho henon’ny marenina
Ny ahy sy anao efa antso
Hamafisin’ny diam-penina
Dia hipetraka hatrany
Ny niarahana rehetra
Na tamin’ny tsiky na tomany
Fa ny antsika tsisy fetra