Na lehibe na mbola zaza
Hisokoany moramora
Tsy mampandre, tsy mampilaza
Tonga ho azy rehefa ora
Tsy mampitombona ny saina
Toa mitondra fahabangana
Mampijaly, mankarary ny aina
Kobonina, mainka tsy tàna
Fa mitady hiantefana
Dia ilay olona any ho any
Ilay ranomainty tsy hay fafàna
Mampirehitra vinany
Tsy mahadiny ny irery
Zary toa mampanonofy
Raha tsy afa-po, mamela fery
Satriny ihany ianao farofy
Fa ny heriny hirifiry
Hasambarana tsy mety lany
Faniriana mankadiry
Fo mitempo sesilany
Hisokoany moramora
Tsy mampandre, tsy mampilaza
Tonga ho azy rehefa ora
Tsy mampitombona ny saina
Toa mitondra fahabangana
Mampijaly, mankarary ny aina
Kobonina, mainka tsy tàna
Fa mitady hiantefana
Dia ilay olona any ho any
Ilay ranomainty tsy hay fafàna
Mampirehitra vinany
Tsy mahadiny ny irery
Zary toa mampanonofy
Raha tsy afa-po, mamela fery
Satriny ihany ianao farofy
Fa ny heriny hirifiry
Hasambarana tsy mety lany
Faniriana mankadiry
Fo mitempo sesilany
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire