Ianao aho raha miova loko
Ianao aho, efa niofo
Ianao rehefa fihetseham-poko
Efa ianao hatramin’ny nofo
Noho ianao raha maloka andro
Ianao no kintana, masoandro
Hazavana isanandro
Ny rehetra toa mpanandro
Mahalala izay momba ahy
Hoe izaho very fanahy
Hafahafa tsy toa ahy
Noho ianao izay manahy
Tsy haiko afenina, tsy hay
Ianao aho, efa izay
Ianao aho, sahisahy
Ianao aho, tsy mety fay
Izay tsy izaho dia ianao
Dia ianao no fahalemeko
No ianao izao rehetra izao
Dia ianao no fahendreko
Ianao aho, efa niofo
Ianao rehefa fihetseham-poko
Efa ianao hatramin’ny nofo
Noho ianao raha maloka andro
Ianao no kintana, masoandro
Hazavana isanandro
Ny rehetra toa mpanandro
Mahalala izay momba ahy
Hoe izaho very fanahy
Hafahafa tsy toa ahy
Noho ianao izay manahy
Tsy haiko afenina, tsy hay
Ianao aho, efa izay
Ianao aho, sahisahy
Ianao aho, tsy mety fay
Izay tsy izaho dia ianao
Dia ianao no fahalemeko
No ianao izao rehetra izao
Dia ianao no fahendreko
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire