REHEFA TIA

Na tsy hisokatra ny vava
Na tsy hanoratra ny tànana
Efa hainao fa ny eny an-tava
Tsy azo afenina ny namana

Hita ihany na tsy havoaka
Voazara tsy zaraina
Mibaribary, hitam-bahoaka
Rehefa tia toa very saina

Mahavita izay tsy ho vita
Na tsy hiteny “tiako ianao”
Tsy maintsy ho tody, ho tafita
N’ino’ n’inona atao

Fa ny fihetsika, fiteny
No miteny fa tia azy
Tokana ny fandreseny
Dia ianao, ianao, tsy vazivazy

Ny rehetra toa tantely
Rehefa tia mahay milaza
Rehefa tia toa very anjely
Ny rehetra tsy sahaza

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire