Izay tia hono adala
Ny mitia, tsy voarara
Ny mitia, tsy te hahalala
Rehefa tojo ny ho anjara
N’iza hiteny, n’iza handidy
Rehefa tia tsy manontany
Efa tsy manan-tsafidy
Miaritra na mitomany
Fa ny maso tsy mahita
Fa ny sofina marenina
Rehefa tia mahavita
Rehefa tia tsy misy nenina
Fa ny tia miroso foana
Mahatontosa izay kasaina
Tsy mikajy ny fotoana
Rehefa tia mahafoy ny aina
Ny mitia, tsy voarara
Ny mitia, tsy te hahalala
Rehefa tojo ny ho anjara
N’iza hiteny, n’iza handidy
Rehefa tia tsy manontany
Efa tsy manan-tsafidy
Miaritra na mitomany
Fa ny maso tsy mahita
Fa ny sofina marenina
Rehefa tia mahavita
Rehefa tia tsy misy nenina
Fa ny tia miroso foana
Mahatontosa izay kasaina
Tsy mikajy ny fotoana
Rehefa tia mahafoy ny aina
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire