IANAO

Vao mihiratra dia ianao
Vao mikipy dia ianao
N’ino’ n’inona atao
Mibahana ao an-dohako ao

Ny momba ahy dia ianao
Izay lazaiko dia ianao
Ny rehetra efa lao
Hoe izao be lazao

Ny eritreritro, ianao
Ny tebitebiko, ianao
Na mitoetra, na mandao
Toa tsy mety fa izaho

Efa diso tia anao
Vao miteny misy sao…
Tsy miova anefa izaho
Na dia betsaka ny tsao

Hoe izao sy izao…
Tsy misy zavatra vaovao
Fa ny ahy dia ianao
Hatramin’izay ka hatramin’izao

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire