ANDRIKO IHANY

Andriko ihany raha fotoana
Andriko na hafiriana
Tsy maninona, andry foana
Andriko fa olon-tiana

Andriko ihany na ahoana
Andriko fa faniriana
Andriko na aman-taona
Andriko na hijaliana

Andriko ihany izay miseho
Andriko raha izay no lahatra
Miandry aho, tsy ho leo
Miandry aho, tsy hitsahatra

Andriko ihany na marary
Andriko, tsy vazivazy
Andriko na tsy mirary
Ny vidin’ny fiandrasako azy

Andriko ihany na tsy andry
Andriko na mbola tsy hay
Andriko na tsy mampandry
Andriko fa aza manahy

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire