Any ianao ry tiako loatra
Izaho aty salama tsara
Faly mba manararaotra
Manoratra sy mitantara
Mifampitafa aminao
Na dia any lavitra any
Tsy dia misy vaovao
Fa toy ny mahazatra ihany
Efa hainao tsianjery
Hoe malahelo sy ny sisa
Efa toy ny mistery
Ny ato am-po tsy ho voatanisa
Fa dia teny tokana ihany
Irery, irery manirery
Fa na firy hameno tany
Raha tsy eo ianao toy ny very
Izaho aty salama tsara
Faly mba manararaotra
Manoratra sy mitantara
Mifampitafa aminao
Na dia any lavitra any
Tsy dia misy vaovao
Fa toy ny mahazatra ihany
Efa hainao tsianjery
Hoe malahelo sy ny sisa
Efa toy ny mistery
Ny ato am-po tsy ho voatanisa
Fa dia teny tokana ihany
Irery, irery manirery
Fa na firy hameno tany
Raha tsy eo ianao toy ny very
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire