NY SORATRAO

Ny soratra fanalahidy
Ny soratrao koa harena
Toy ny vata sarobidy
Mitahiry volamena

Ny momba anao no lazainy
Ny tenanao no soloiny
Ny ao am-ponao no hirainy
Ny ao an-tsainao no kaloiny

Toa ianao no ambany maso
Mibitsika ireo teny mamy
Toa ianao no miantso andraso
Toa ianao no manontany

Ny soratrao no ilay ianao
Manafosafo raha marary
Mitondra tsiky, hery vao
Izay ataonao no ataony an-tsary

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire