AVELAO ANY

Avelao any izay miteny
Avelao any izay mijery
Efa ho lava ny azy ireny
Efa ho lava toa jorery

Avelao any izay mibedy
Avelao any izay tsy tia
Avelao ny tebiteby
Tebiteby mankahia

Avelao any koa ny lasa
Avelao any izay efa vita
Avelao reny fa tsy lasa
Avelao any izay tsy ho hita

Avelao any fa ny anio
No banjino sy iaino
Avelao any izay tadio
Avelao any izay tsy mihaino

Izaho sy ianao no hatreo
Avelao any ny rehetra
Dia hivalona hatreo
Ny fisian’ny ratsy toetra

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire