Hifonako amin’ilay nahary
Ny ota keliko, dia ianao
Haiko fa tsy dia manjary
Nefa dia niniana atao
Ny fitiavako anao
Mihoa-pefy sy maditra
Fahotako tsotra izao
Tia aho sy mitsiriritra
Anatiko ao, mifamahofaho
Efa diso lalim-paka
Tsapako fa tiako ianao
Ota keliko manjaka
Satria tiako noho ny lanitra
Mangeja nefa tsy hovahako
Sanatria toa Andriamanitra
Hifonako raha fahotako
Tsy ho afako intsony
Tsy ho afako na mampangovitra
Ota keliko ny fony
Efa tandra vadin-koditra
Ny ota keliko, dia ianao
Haiko fa tsy dia manjary
Nefa dia niniana atao
Ny fitiavako anao
Mihoa-pefy sy maditra
Fahotako tsotra izao
Tia aho sy mitsiriritra
Anatiko ao, mifamahofaho
Efa diso lalim-paka
Tsapako fa tiako ianao
Ota keliko manjaka
Satria tiako noho ny lanitra
Mangeja nefa tsy hovahako
Sanatria toa Andriamanitra
Hifonako raha fahotako
Tsy ho afako intsony
Tsy ho afako na mampangovitra
Ota keliko ny fony
Efa tandra vadin-koditra
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire