Inona moa ny fanahy ?
Fa tsy ilay mahaolona ahy?
Ary ny sila-panahy?
Fameno sa fakam-panahy?
Manosika ahy ho sahisahy
Manova ahy, mitondra ahy
Satria ve ny silam-panahy
No mitondra ny fanahy?
Mahatonga ny ahiahy
Rehefa tena tafaray
Raha vao hoe : “sila-panahy »
Dodona sy miolomay
Toy ny misy hery iray
Ankoatry ny halemem-panahy
Misintona ny fo, fanahy
Herin’ny sila-panahy
Fitiavana mivaivay
Mamatotra, mampifandray
Mampiray ny fanahy
Mampitambatra ho iray
Fa tsy ilay mahaolona ahy?
Ary ny sila-panahy?
Fameno sa fakam-panahy?
Manosika ahy ho sahisahy
Manova ahy, mitondra ahy
Satria ve ny silam-panahy
No mitondra ny fanahy?
Mahatonga ny ahiahy
Rehefa tena tafaray
Raha vao hoe : “sila-panahy »
Dodona sy miolomay
Toy ny misy hery iray
Ankoatry ny halemem-panahy
Misintona ny fo, fanahy
Herin’ny sila-panahy
Fitiavana mivaivay
Mamatotra, mampifandray
Mampiray ny fanahy
Mampitambatra ho iray
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire