Dia nahita fa nitady
Dia nitolona sy niady
Dia niafara tamin’ny voady
Ary farany nivady
Dia mba efa samy faly
Dia mba iny koa satana
Isanandro mifamaly
Dia nanao izay ahitàna
Any an-kafa, tsy tamàna
Nanambady manambady
Ny adalana koa tsy tàna
Jamba ka dia namoa fady
Hoe ny voady lany daty
Hoe ny vady lany andro
Efa tsy mafatifaty
Efa hita isanandro
Hoe fiainany hono, azy
Efa leo ny lazon’ady
Sa satria tsy voasazy?
Mbola hivarina any an-kady
Dia nitolona sy niady
Dia niafara tamin’ny voady
Ary farany nivady
Dia mba efa samy faly
Dia mba iny koa satana
Isanandro mifamaly
Dia nanao izay ahitàna
Any an-kafa, tsy tamàna
Nanambady manambady
Ny adalana koa tsy tàna
Jamba ka dia namoa fady
Hoe ny voady lany daty
Hoe ny vady lany andro
Efa tsy mafatifaty
Efa hita isanandro
Hoe fiainany hono, azy
Efa leo ny lazon’ady
Sa satria tsy voasazy?
Mbola hivarina any an-kady
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire