Ianao no tongotro mamindra
Tsisy anao aho toy ny hazo
Tsy mba afaka mifindra
Mila tondraka tsy halazo
Rà mikoriana any anaty
Mbola afahako miaina
Tsisy anao aho toy ny faty
Toy ny tany karakaina
Trano haolo, trano foana
Maizina tsisy mitsilo
Tsisy anao aho zava-poana
Voa mitsiry anaty tsilo
Tsy velona aho raha irery
Mila anao hanafy lamba
Ianao no masoko mijery
Tsisy anao aho toy ny jamba
Fa ianao no antom-pisiako
Hitempon’ny foko hatrany
Fa ianao ilay olon-tiako
Hamoizako ny tany
Tsisy anao aho toy ny hazo
Tsy mba afaka mifindra
Mila tondraka tsy halazo
Rà mikoriana any anaty
Mbola afahako miaina
Tsisy anao aho toy ny faty
Toy ny tany karakaina
Trano haolo, trano foana
Maizina tsisy mitsilo
Tsisy anao aho zava-poana
Voa mitsiry anaty tsilo
Tsy velona aho raha irery
Mila anao hanafy lamba
Ianao no masoko mijery
Tsisy anao aho toy ny jamba
Fa ianao no antom-pisiako
Hitempon’ny foko hatrany
Fa ianao ilay olon-tiako
Hamoizako ny tany
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire