Renao ve ny hiaka mangina
Mitabataba anatiko ao?
Renao ve izay toriana?
Renao ve? Tiako ianao
Renao ve ny feon’aponga,
Dobodoboky ny foko?
Renao ve? Tsy somonga
Tiako ianao, tiako, tsy foiko
Renao ve ny ngonongonona
Bitsibitsiky ny saiko?
Renao ve ny monimonina?
Tiako ianao, izay no hiraiko
Tiako raha mba renao izany
Teny kely fa mafonja
Tiako ianao, tsisy fiafarany…
Na hanorana na hanonja
Mitabataba anatiko ao?
Renao ve izay toriana?
Renao ve? Tiako ianao
Renao ve ny feon’aponga,
Dobodoboky ny foko?
Renao ve? Tsy somonga
Tiako ianao, tiako, tsy foiko
Renao ve ny ngonongonona
Bitsibitsiky ny saiko?
Renao ve ny monimonina?
Tiako ianao, izay no hiraiko
Tiako raha mba renao izany
Teny kely fa mafonja
Tiako ianao, tsisy fiafarany…
Na hanorana na hanonja
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire