SAMY MOANA

Isika roa toa mihafy lava
Mihafy, mampijaly tena
Nefa samy te hiloa-bava
Sa izay no fahendrena?

Ny antsika roa ny fijery
No atao misolovava
Afenina nefa tsy miery
Aharihary eny an-tava

Dia satritsika hifampitsetra
Mangetaheta ambony rano
Nefa am-po efa mitoetra
Ilay fitia sy velirano

Dia tsy miteny fa mangina
Nefa am-po toa taralila
Mahatsapa samy tiana
Saingy tia fa mandeha ila

Sanatria toa misaona
Enga anie ka hisy foana
Hisy foana ny fotoana
F’isika roa toa samy moana

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire