FO ADALA

Ny foko kely adaladala
Adala toy ny zaza adala
Adala sy tsy te hahalala
Adala toy ny mankahala

Adala anao toy ny adala
Sy tsy mihaino izay ambara
Ny saiko tsy misalasala
K’omeko anao f’ianao no zara

Satria ny foko kely adala
Efa tena manadala
Izaho sy ianao efa sahala
Sady tsy mifanadala

Fa ny foko no adala
Tia anao na mamanala
Toy ny hala an-tranonkala
Ka mifikitra tsy miala

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire