FOIKO HO ANAO

Foiko ho ianao iray manontolo
Ny amiko sy ny ato am-poko
Eny, foiko ho anao daholo
Foiko ho anao na izay tsy foiko

Foiko ho anao ireo andro sisa
Foiko ho anao izay mba haiko
Fa ianao no paradisa
Hamoizako ny aiko

Foiko ho anao ry tiako loatra
Foiko ho anao ny faniriako
Foiko ho anao hatrany ankoatra
Foiko ho anao ny fisiako

Foiko ho anao fa ianao
Tsy foiko sy tsy foiko ho tsy ahy
Afoiko izao tontolo izao
Eny, afoiko raha izay

No hahalaza fa tsy foiko
Tsy foiko ianao, tsy atakalo
Aminao ny finoako
Ny fisianao tsy foiko handalo

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire