ZATRA ANAO

Raha ny tongotro, tsy ho tàna
Zatra anao ka tsy mety
Fa ny foko efa tamàna
Raha tsisy anao tsy metimety

Misy anao, misy haravoana
Fitsikiana lalandava
Zatra anao, tsisy hakamoana
Satry hifanatri-tava

Hiresaka sy hifampitafa
Dia hilaza izay malaza
Zatra anao, tsy mihafahafa
Tsisy bedy, tsisy handaza

Fa ianao no mandidy
Ary izaho no miteny
Ahy sy ianao ny safidy
Izaho sy ianao no hanao “eny”

Fa ny fo mifanakatia
Sanatria tsy fahotàna
Isika roa raha miara-dia
Sanatria tsy adalàna

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire