Raha isika no hisaraka
Dia hiezaka hanadino
Hoe ny rehetra rano raraka
Toa hahagaga, tsy hampino
Enga anie tsy hisy izany
Mba ho lavitra ahy sy ianao
Raha hisaraka eto an-tany
Aina no enti-mifandao
Faty anie no hisarahana
Fitiavana no nampiray
Raha misy tsy fifanarahana
Tànana no hifandray
Dia hifankatia hatrany
Tsy hieritreritra akory
Hoe hisaraka, hitomany
Tsy hitady izay mahaory
Dia hiezaka hanadino
Hoe ny rehetra rano raraka
Toa hahagaga, tsy hampino
Enga anie tsy hisy izany
Mba ho lavitra ahy sy ianao
Raha hisaraka eto an-tany
Aina no enti-mifandao
Faty anie no hisarahana
Fitiavana no nampiray
Raha misy tsy fifanarahana
Tànana no hifandray
Dia hifankatia hatrany
Tsy hieritreritra akory
Hoe hisaraka, hitomany
Tsy hitady izay mahaory
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire