Raha nandinika ny saiko
Mieritreritra ny zava-misy
Ny any an-kafa no tsy haiko
Fa am-poko toa tsy misy
Tsy misy tsapako toa anao
Tsy misy tsapako mitovy
Ianao ihany no toa anao
Ianao ihany ka tsarovy
Fa efa fantatry ny foko
Efa masaka ato an-tsaiko
Ny eritreritro na hovonoiko
Mahalala izay ilaiko
Dia ianao, tsy misy hafa
Toy ny foko, iray ihany
Ny ankoatra anao, hafahafa
Fitiavana daholo izany
Mieritreritra ny zava-misy
Ny any an-kafa no tsy haiko
Fa am-poko toa tsy misy
Tsy misy tsapako toa anao
Tsy misy tsapako mitovy
Ianao ihany no toa anao
Ianao ihany ka tsarovy
Fa efa fantatry ny foko
Efa masaka ato an-tsaiko
Ny eritreritro na hovonoiko
Mahalala izay ilaiko
Dia ianao, tsy misy hafa
Toy ny foko, iray ihany
Ny ankoatra anao, hafahafa
Fitiavana daholo izany
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire