Injay ilay hira mba tianao
Hira tiako ihany koa
Hirako sy hiranao
Hira fihirantsika roa
Zary tsy afaka ao am-bava
Fihainoko rehefa mahatsiaro
Raha misy zavona , misava
Raha manadino, misy tsiaro
Dia ilay hirahiranao
Dia mba hirako ihany koa
Mampahatsiahy ny fihiranao
Fahatsiarovana avokoa
Dia ilay angotinao
Ilay fijery hafa kely
Ny tsikitsiky kelinao
Eran’ny tena no miely
Hira tiako ihany koa
Hirako sy hiranao
Hira fihirantsika roa
Zary tsy afaka ao am-bava
Fihainoko rehefa mahatsiaro
Raha misy zavona , misava
Raha manadino, misy tsiaro
Dia ilay hirahiranao
Dia mba hirako ihany koa
Mampahatsiahy ny fihiranao
Fahatsiarovana avokoa
Dia ilay angotinao
Ilay fijery hafa kely
Ny tsikitsiky kelinao
Eran’ny tena no miely
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire