Manantena aho fa any andro
Ho tanteraka ny teny
Ireo vavaka isanandro
Hofaranana amin’ny “eny”
“Eny” fa manaiky aho
Amin’ny heriko rehetra
Toa izany koa ianao
“Eny” tsy misy fepetra
Manatena aho fa any volana
Ho tanteraka ny anjara
Ireo sedra sy ireo olana
Hanamafy ny tantara
Fa ny fiainana tsy tsara
Raha tsy misy fanahiana
Izaho sy ianao mifampizara
Izaho sy ianao no hitokiana
Manantena aho ka hiady
Manantena aho fa any taona
Ho tanteraka ny voady
Tsy ho levon’ny fotoana
Ho tanteraka ny teny
Ireo vavaka isanandro
Hofaranana amin’ny “eny”
“Eny” fa manaiky aho
Amin’ny heriko rehetra
Toa izany koa ianao
“Eny” tsy misy fepetra
Manatena aho fa any volana
Ho tanteraka ny anjara
Ireo sedra sy ireo olana
Hanamafy ny tantara
Fa ny fiainana tsy tsara
Raha tsy misy fanahiana
Izaho sy ianao mifampizara
Izaho sy ianao no hitokiana
Manantena aho ka hiady
Manantena aho fa any taona
Ho tanteraka ny voady
Tsy ho levon’ny fotoana
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire