N’aiza n’aiza misy anao
Ny eritreritro eny foana
Eny foana, tsy mandao
Tsy voafetran’ny fotoana
Amin’izay alehanao
Eny na tsy hitanao
Ny eritreritro sy izaho
Tsy misaraka aminao
Maniditsidina any ho any
Mameno ny andro manontolo
Ho avy aho fa homany
Mieritreritra aho dia velombolo
Tsy mijanona tsy hita isa
Ny sentosento sy ny sao
Ny eritreritro no mitanisa
Ny hasambarana eo anilanao
Ny eritreritro eny foana
Eny foana, tsy mandao
Tsy voafetran’ny fotoana
Amin’izay alehanao
Eny na tsy hitanao
Ny eritreritro sy izaho
Tsy misaraka aminao
Maniditsidina any ho any
Mameno ny andro manontolo
Ho avy aho fa homany
Mieritreritra aho dia velombolo
Tsy mijanona tsy hita isa
Ny sentosento sy ny sao
Ny eritreritro no mitanisa
Ny hasambarana eo anilanao
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire