IRERY

Irery aho, irery
Lavitra, tsisy mpijery
Irery tsisy mpankahery
Fa ianao no mba hery

Ianao izao any ho any
Izaho tsy misy mpanontany
Tsy misy alefa fa vinany
No tsy mijanona mankany

Irery aho, irery ianao
Samy lavitra ny tiany
Irery tsisy vaovao
Irery ka tsy mahadiny

Ny hafatrao efa voaray
Mahafinaritra ny fo
F’izaho sy ianao tsy tafaray
No manahirana ny loha

Irery ka dia sarisary
No hany sisa atao an-tsaina
Irery ka mararirary
Lavitra ny sombiniaina

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire