Tiako ianao, tsy foiko loatra
Tiako amin’ny foko manontolo
Raha ny ato am-poko te hitroatra
Tsy antonona azy izao tontolo…
Fa afo tsy mba mety lefy
Ny fitiavako anao
Tsy voarara, tsy voafefy
Na hisy loza mitatao
Fitiavana efa tsara tefy
Mafy orina satria
Efa anaty mari-drefy
Filamatry ny tena tia
Te hizara aminao
Ny hoaviny rehetra
Fiombonana amin’izay atao
Fitiavako tsy misy fetra
Satria tiako ianao, tena tiako
Tiako hizaràna izay mitranga
Anilanao no nofidiko
Ho famenon’izay banga
Tiako amin’ny foko manontolo
Raha ny ato am-poko te hitroatra
Tsy antonona azy izao tontolo…
Fa afo tsy mba mety lefy
Ny fitiavako anao
Tsy voarara, tsy voafefy
Na hisy loza mitatao
Fitiavana efa tsara tefy
Mafy orina satria
Efa anaty mari-drefy
Filamatry ny tena tia
Te hizara aminao
Ny hoaviny rehetra
Fiombonana amin’izay atao
Fitiavako tsy misy fetra
Satria tiako ianao, tena tiako
Tiako hizaràna izay mitranga
Anilanao no nofidiko
Ho famenon’izay banga
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire