Ravoravo aho, falifaly
Maharavoravo izay atao
Ravoravo tsy an-tsary…
Fa ravoravo misy anao
Anilako eo isanandro
Mifampizara ny rehetra
Mifampizara ny nahandro
Fitiavana tsy manam-petra
Ravoravo aho, ravoravo
Anilanao ilay nofinidy
Mifanohana raha misy lavo
Mifandrimbona amin’izay adidy
Maharavoravo izay atao
Ianao no ravaky ny tokantrano
Maharavoravo ka izaho
Tsy hivadi-belirano
Fa tia anao hatramin’izay
Toy ny omaly sy androany
Ho tia anao mandrakizay
Na amin’ny tsiky na tomany
Fa ianao no maharavo
Efa neken’ny fo sy saina
Ka na ambany aho na avo
Ianao ihany no ilaina
Fa fahasoavan’Andriamanitra
Tendry, lahatra sy anjara
Ravoravo hatramin’ny lanitra
Izaho sy ianao hatrany am-para
Maharavoravo izay atao
Ravoravo tsy an-tsary…
Fa ravoravo misy anao
Anilako eo isanandro
Mifampizara ny rehetra
Mifampizara ny nahandro
Fitiavana tsy manam-petra
Ravoravo aho, ravoravo
Anilanao ilay nofinidy
Mifanohana raha misy lavo
Mifandrimbona amin’izay adidy
Maharavoravo izay atao
Ianao no ravaky ny tokantrano
Maharavoravo ka izaho
Tsy hivadi-belirano
Fa tia anao hatramin’izay
Toy ny omaly sy androany
Ho tia anao mandrakizay
Na amin’ny tsiky na tomany
Fa ianao no maharavo
Efa neken’ny fo sy saina
Ka na ambany aho na avo
Ianao ihany no ilaina
Fa fahasoavan’Andriamanitra
Tendry, lahatra sy anjara
Ravoravo hatramin’ny lanitra
Izaho sy ianao hatrany am-para
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire