Efa samy tapaka hevitra
Izaho sy ianao mifankatia
N’iza faly, n’iza tezitra
Mankamamy ny miara-dia
Efa samy saro-piaro
Tena tia, tsy te hamoy
Izaho sy ianao mifampiaro
Samy tsy mifankahafoy
Fa samy matotra ara-tsaina
Izaho sy ianao mahay mizaha
Mahay mihaino izay lazaina
Ny olantsika iaraha-mamaha
F’izaho sy ianao tsy mifanary
Mifampiankina isanandro
Tsy miafina fa miariary
Izaho sy ianao mahay mitandro
Ny hasin’ny fifankatiavana
Ny herin’ny fifanampiana
Izaho sy ianao mahay mihavana
Sendra tia tojo tiana
Izaho sy ianao mifankatia
N’iza faly, n’iza tezitra
Mankamamy ny miara-dia
Efa samy saro-piaro
Tena tia, tsy te hamoy
Izaho sy ianao mifampiaro
Samy tsy mifankahafoy
Fa samy matotra ara-tsaina
Izaho sy ianao mahay mizaha
Mahay mihaino izay lazaina
Ny olantsika iaraha-mamaha
F’izaho sy ianao tsy mifanary
Mifampiankina isanandro
Tsy miafina fa miariary
Izaho sy ianao mahay mitandro
Ny hasin’ny fifankatiavana
Ny herin’ny fifanampiana
Izaho sy ianao mahay mihavana
Sendra tia tojo tiana
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire