TSIAMBARATELO

Mbola ho avy ilay fotoana
Hamoahako aminao
Ny ato am-poko izay mimoana
Eny, mbola ho henonao

Tsiambarateloko sy ianao
Satria efa fantatrao
Ny endrikao manao : lazao!
Fa aoka ihany ho tahaka izao

Fa ho avy ilay fotoana
Amin’izay ho tsapanao
Nandalo ny andro lasa taona
Fa ny foko mbola injao!

Tsiambarateloko sy ianao
F’isika aloha hatramin’izao
Mpinamana tsy mifandao
Samy tia anatiny ao

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire