TAKARIVA

Rehefa mody ilay masoandro
Takariva tahaka izao
Isanandro, isanandro
Dia tsaroako foana ianao

Fa ahatsiarovako anao
Ny vodilanitra manopy mena
Mena toy ny am-poko ao
Mena, afo tsy mihena

Fa ny takariva tahaka izao
Malefadefaka sy mahafinaritra
Mampanembona anao
Mangatsiaka fa haiko miaritra

Ny fahanginana sy ny natiora
No hilazako hoe : “tiako ianao”
Tsy tsaroako na dia ny ora
Manina ny anilanao

Aucun commentaire :

Enregistrer un commentaire