Nofiko hono aho sondriana
Izay nojerena lavorary
Irery an-tsandrin’olon-tiana
Nankafy ny zava-boary
Dia niteny hono ianao :
Andao isika hifampivoady
Ka manomboka eto izao
Hofatorana ny tady
Dia izaho somebiseby
Dia nanantona hono ianao
Sanatria tsy rediredy
Izay lazaiko no lazao :
“Ry tiako, izaho ho tia anao
Tsy hivadika amin’ny teny atao
Toky no omeko anao
Raha tsy maty aho tsy mandao
Izay nojerena lavorary
Irery an-tsandrin’olon-tiana
Nankafy ny zava-boary
Dia niteny hono ianao :
Andao isika hifampivoady
Ka manomboka eto izao
Hofatorana ny tady
Dia izaho somebiseby
Dia nanantona hono ianao
Sanatria tsy rediredy
Izay lazaiko no lazao :
“Ry tiako, izaho ho tia anao
Tsy hivadika amin’ny teny atao
Toky no omeko anao
Raha tsy maty aho tsy mandao
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire