Rehefa ianao no manoloana
Toa tsy misy ny rehetra
Satry hiato ny fotoana
Rehefa ianao no mitoetra
Rehefa eo mantsy ianao
Feno hasambarana ny fo
Anaty nofy anilanao
Satry ihany tsy hifoha
Fa satria rehefa eo ianao
Rehefa eo ny olon-tiako
Mitony ny ao anatiko ao
Rehefa eo ny faniriko
Tsy maninona na iray minitra
Rehefa eo ianao, tsy maninona
Satria ny fo mipitrapitra
Raha tsisy anao tsinontsinona
Toa tsy misy ny rehetra
Satry hiato ny fotoana
Rehefa ianao no mitoetra
Rehefa eo mantsy ianao
Feno hasambarana ny fo
Anaty nofy anilanao
Satry ihany tsy hifoha
Fa satria rehefa eo ianao
Rehefa eo ny olon-tiako
Mitony ny ao anatiko ao
Rehefa eo ny faniriko
Tsy maninona na iray minitra
Rehefa eo ianao, tsy maninona
Satria ny fo mipitrapitra
Raha tsisy anao tsinontsinona
Aucun commentaire :
Enregistrer un commentaire